|
|
|
|

Entrée1  Eritreritra fahavaratra
Mots élémentaires  2  eritreritra, 3  fahavaratra
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet  7  Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
8  Ny alina madiva,
9  Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
10  Ka hitondra any ho any...
11  Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
12  Toa reraka, manahy?
13  Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
14  Izay mameno, no injao
15  Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina
16  Toa rano nafanaina?
17  Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
18  Ny jiroko. Matory
19  Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.
20  Aiza ho aiza no miery,
21  Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
22  Avia mamoaka feo,
23  Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
24  Izay tena teninao,
25  Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...
26  Mitenena, ry Fanahy.
27  Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;
28  Mangina koa ny tany,
29  Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,
30  Tsy misy tsy mba tony...
31  Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
32  Ny fitiavako handre
33  Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!
34  Tsy mbola tena sambatra,
35  Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
36  Ka he! mitaintaina!
37  Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.
38  Ny andro dia madiva
39  Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany
40  Ka hamerina avy any...
41  Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy
42  Toa trotraka, manahy?
43  Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
44  Izay namonto, no injao
45  Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,
46  Toa rano nafanaina?

Mis à jour le 2025/07/29